11 ôktôbra — Teraka tao Narbonne tamin'ny 516 i Firmin. Tonga tao amin'ny dadatoany antsoina hoe Roricius tao Uzès izy. Eveka tao io dadatoany io nanomboka ny taona 533 hatramin'ny taona 538, izy io no eveka fahatelo tao amin'ity tanana ity. 

Rehefa maty i Roricius ny taona 538 dia i Firmin no nandimby azy. Nandray anjara tamin'ny kônsily fahefatra sy fahadimy tao Orléans izy, ary nanatrika ihany koa ny kôsily faharoa tao Paris ny taona 551. Tamin'io ihany koa no nanankinany ny tananan'i Uzès ho eo ambany fiahian'i Arles. Teo amin'ny fahafito amby telopolo taonany no nodimandry ny 11 ôktôbra 553 ary nalevina tao amin'ny fiangonana Saint-Baudile tao Nîmes, izay naoriny ihany koa tao avaratry ny tanana izany fiangonana izany. Marihana fa dimy ambin'ny folo taona no nitondrany ny Fiangonana tao Uzès ka rehefa nodimandry izy dia i Masindahy Ferréol no nandimby azy ho eveka fahadimy tao.

Nanana fifandraisana manokana tamin'i Masindahy Césaire d'Arles i Firmin. Mpitoka-monina Lérins i Césaire ka rehefa voatendry ho eveka tao Arles dia nanorina ny trano fitokana-monina voalohany ho an'ny vehivavy, tao Gaule. Mpianany i Firmin, namany ary nanoratra ny fiainany ihany koa. Nanintona an'i Firmin manokana ny fiainana voatokana. Mpiandry ondry tsara i Firmin, ary nanana fanomezam-pahasoavana manokana amin'ny fampitana ny fampinaran'ny Fiangonana amin'ny vahoaka. Tsotra sady manohina ny fo, sady manokatra azy ireo hihaino ny Fanahy Masina. Hoy mantsy i Firmin : "Raha tsy misy ny Fanahy Masina dia mijanona ho tantara fotsiny i Kristy, ary tsy miteny, tsy misy heviny ny Vaovao Mahafaly, ary rafitra fotsiny ny Fiangonana. Fa raha eo ny Fanahy Masina, dia eo i Kristy, ka ny Vaovao Mahafaly no herin'ny fiainana ary ny Fiangonana no fiombonan'ny Trinite".

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...