07 ôktôbra — Efa hatramin'ny taona 1547 no nankalazaina tany Espagne ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Raozery isaky ny alahady fahatelo amin'ny volana aprily. Ny papa Pie V kosa ny taona 1572 no nanambara fa fankalazana ny fetin'i Notre-Dame de la Victoire ny alahady voalohany amin'ny volana ôktôbra ho fisaorana sy fankasitra noho ny fandresena tao Lépante.

Tamin'izany fotoana izany mantsy kristianina rehetra tao Espagne, Venise, Savoie... dia teo ambany fitarihan'i Don Juan tao Autriche no nandrava ireo Turcs notarihan'i Ali Pacha, ny 07 ôktôbra 1571. Io no nahatonga ao amin'ny Litanian'ny Virjiny Masina ny fiantsoana hoe : "Masina Maria vonjin'ny krisianina, mivavaha ho anay". Ny papa Grégoire XIII no nanova io fankalazana io ho fankalazana ny Raozery Masina, ary atao isaky ny alahady voalohany amin'ny volana ôktôbra, nanomboka ny taona 1573. Tamin'izay dia ho an'ireo fiangonana romana izay manana chapelle sy fikambanana Raozey Masina ihany no nentanina tamin'io. Ny papa Clément X, tamin'ny taona 1671 no nametraka izany ho an'i Espagne fa ny papa Clément XI no nanely azy ho an'ny Fiangonana maneran-tany ny taona 1716. Ankalazana herinandro ao aorian'ny Assomption izy tamin'izany. Fa ny papa Pie X no namaritra ny fankalazana atao ho an'ny Fiangonana rehetra ho ny 07 ôktôbra tamin'ny taona 1913

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...