22 mey — Teraka tao amin'ny tanana kely tao afovoan'i Italie i Rita tamin'ny taona 1381, efa zokiolona ireo ray aman-dreniny vao niteraka azy ary nobeaziny tao anatin'ny fitiavam-bavaka tany amin'ny fiainan-drelijiozy izy ka mbola kely dia efa nankafy ny fanginana sy ny fahaiza-manaiky.

Naniry ny ho relijiozy i Rita, nefa nampanambadian'ny ray aman-dreniny an'i Paul, lehilahy maherisetra. Tokantrano tonga lafatra no niriny, nefa novonoin'ny vadiny matetika izy. Afaka 20 taona dia nihanalefaka noho ny hamoram-po sy ny halemem-panahin'i Rita izany toetran'ny vadiny izany, nilamina ihany ny fiainan'izy mivady. Tsy naharitra ela anefa izany fa vetivety tao aorian'izay dia nisy namono i Paul fa nananan'ny olona kakay. Ireo zanany roa lahy moa saika hamaly faty izay namono an-drainy, fa tamin'ny alalan'ny vavaka no nanakanan'i Rita izany, kanjo nondaosin'ny fahafatesana koa ireo zanany ireo. Namela ny helok'izay namono ny vady aman-janany i Rita ary hany heriny nandeha nifidy ny fiainana mihiboka.

Indroa izy no nangataka hiditra fa tsy noraisin'ireo, fa nambaran'izy ireo fa tsy natao ho an'ny efa manam-bady ny trano fitokana-monina. Tamin'ny fanintelony dia nanao amboletra izy, nangataka tamin'ireo olomasina mpiaro azy, tsy iza izany fa i Joany Batista, i Augustin ary i Nicolas. Niseho taminy ireo, ary nitarika azy ho any amin'ny trano fitokana-monina. Na nirindrina mafy aza ny vavahady dia tonga teo afovaon-dry masera, mihira ny vavaka maraina i Rita. Noraisin'ireo masera Augustines tao Cascia izy. Natao tamin'ny filaharana voalohany izy, fa nangataka kosa ny hatao ho mpanampy. Tsy nahay namaky teny i Rita ka dia tsianjery avokoa ny vavaka nataony.

I Kristy no fototry ny fandinihana masina nataony. Nivelatra herim-panahiny ary nahazo aim-baovao izy. Nahazo ny ola-perin'i Jesoa Kristy na ny stigmates i Rita, mariky ny firaisany fijaliana amin'i Kristy. Nisy tsilo mahagaga nitsatoka teo amin'ny handriny ho fandraisany anjara tamin'ny fehiloha tsilo nentin'i Jesoa. Lalina be io fery ka niteraka fofona maimbo, voatery nitoka-monina nandritra ny taona maro i Rita mba tsy hanelingelina ny hafa. Nanao fivahinianana masina tany Roma izy, ary nangataka mba esorina aminy io fery io mba ahafahany manao ny asam-pamonjena miaraka amin'ireo namany. Nekena izay vavaka fangatahana nataony izany fa ny fanaintainany kosa tsy niala, saingy nozakainy tamin-kerim-po mandram-pahafatiny ny 22 mey 1457, 76 taona izy tamin'izay.

16 taona izy no niaina teo amin'ny ray aman-dreniny, 20 taona izy tao amin'ny fiainam-panambadiana ary 40 taona ny naha relijiozy azy. 15 taona niaretana ny fijaliana noho ilay ola-pery. Milevina ao amin'ny fiangonana ao Cascia, tanindrazany izy, ary mbola tsy lo ny vatany. Indray andro, raha may io trano misy azy io dia tsy voakasiky ny afo ny vatany. Ny vahoaka no nilaza azy avy hatrany ho olomasina, fa ny papa Urbain VIII no nampanao fanadihadiana ary ny papa Léon XIII no nanandratra azy ho olomasina tamin'ny 1900. Ny famantarana azy amin'ny fanehoana an-tsary dia ilay tsilo mitsatoka eo amin'ny handrina sy ireo raozy izay mamony ririnina. Maro ireo firenena manaja ity olomasina ity : Italie, Espagne, France Atsimo, Philippines, Amérique satria i Masimbavy Rita dia manampy ireo rehetra midodododo aminy. Marihana fa mpiaro ireo diso fanantenana tamin'ny fikasana izy, ary mpisolovava amin'ny raharaha feno famoizam-po.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...