30 aprily — I Masindahy Pie V dia ilay papa faha-225 nitondra ny Fiangonana ny taona 1566 ka hatramin'ny taona 1572. Antonio Ghislieri no anarany, teraka tamin'ny 17 janoary 1504 tao amin'ny tanana kely tao Bosco, akaikin'i Alexandrie tao amin'ny diôsezin'i Tortone.

Niandry ondry no nataony tao amin'io tanana ambanivohitr'i Lombardie io. Mbola kely izy dia naniry ny hanokan-tena ho an'Andriamanitra. Nisy mpiara-monina taminy nalala-tanana ka nandefa azy hianatra tao amin'ny Ordre des Prêcheurs, na ny dominicains tao Voghera. Teo amin'ny faha-14 taonany izy no nandray ny akanjon'ny mpitoka-monina ka naka ny anarana hoe Michel Alexandrin. Ny 28 mey 1521 àry i Michel no nanonona ny voady ho an'Andriamanitra tao amin'ny trano fitokana-monina tao Vigevano ary nalefa nanohy fianarana tao amin'ny Oniversiten'i Bologne avy eo. Rehefa vita ny fianarany dia nampianatra izy. Ny taona 1528 izy no nohamasinina ho pretra tao Gênes. Tia vavaka, namola-tena, niaro fatratra ny fitsipika sy ny fampianaran'ny Fiangonana i Michel Alexandrin ary tena nahatoky tamin'ny fitazonana ny voady nataony izy, niaina ny fahantrana. Voafidy ho lehiben'ny ankohonam-piainana izy, avy eo voatendry ihany koa ho Inquisiteur tao Côme. Ny volana jona 1551 dia voatendry ho Commissaire général du Saint-Office indray izy. Avy eo, notendren'ny papa Pie IV ho eveka tao Sutri ny 04 septambra 1556, ary nomeny ny anaram-boninahitra maha kardinaly ny 15 marsa 1557. Herintaona tao aorian'io izy dia voatendry indray ho Inquisiteur général ny 14 desambra 1558. Ny 27 marsa 1560, dia nafindra ho eveka tany Mondovi tao Piémont izy. Enin-taona tao aorian'io dia voafidy ho papa izy ary naka ny anarana hoe Pie V.

Ny papa Pie V no voalohany niezaka tamin'ny fanavaozana ny Fiangonana Katôlika tao aorian'ny nahavitan'ny Kônsily tao Trente. Mba hitazonana ny fitiavam-bavaka teo amin'ny vahoakan'Andriamanitra, dia nezahany ny fanomanana sy ny famoahana ny katesizin'ny Kônsily tao Trente ny taona 1566, ary natao tamin'ny fitenim-pirenena maro izany. Nanavao ny vavaky ny Fiangonana andavanandro ihany koa izy, ary nanonta izany tamn'ny endriny vaovao ilay antsoina hoe "Breviarium romanum" ny taona 1568. Navaoziny ihany koa ny bokin-damesa na ny "Missale romanum" ny taona 1570, izay nasaina nampiasain'ny Fiangonana tandrefana rehetra. Izy rahateo moa no tompon'ny fahefana amin'izany fanovana ny Sorona Masina izany. Navaoziny ihany koa ireo sampan-draharaha nisy tao amin'ny Fiketrahana Masina, naorina ny Congrégation de évêques ny taona 1571 ary tamin'io tao io ihany koa no nananganana ny Congrégation de l'Index. Niezaka ihany koa izy nanampy ireo pretra mba ho modely eo amin'ny fahadiovana, eo amin'ny finoana sy ny fomba amam-pihetsika ary ny fandraisana andraikitra. Ny kristianina ihany koa dia nentanin'ny papa Pie V mba handray matetika ny sakramenta sy handalim-pinoana. Naharitra tamin-kerim-po tamin'ny fiarovana ny finoana katôlika ity papa Pie V ity ka nanohitra ny fampielezana ny hevitra protestanta sy nanameloka ireo fampianaran-diso, ary izay indrindra no nankaherezany ny teôlôjiana tao amin'ny Congrégation de l'Index mba hiaro ireo mpino katôlika. Tsy nisalasala mihitsy ity papa ity nanala ny mpanjakavavin'i Angleterre Elisabeth Voalohany tsy ho isan'ny Fiangonana Katôlika intsony. Ny papa Pie V ihany koa no niantso ireo printsy kristianina hiatrka ny ady masina hanoherana ireo silamo Ottomans namono ny Empire Chrétien tany atsinanana. Ny papa Pie V ihany koa no nanonona an'i Masindahy Thomas d'Aquin ho isan'ireo Mpampianatra lehiben'ny Fiangonana tandrefana sy nanohana tamin'ny fanontana tanteraka ny sangan'asan'ity olomasina ity. Nodimandry ny 01 mey 1572 ny papa Pie V ary nasandratra ho olontsambatra ny 01 mey 1672. Nambara ampahibemaso ho olomasina kosa izy ny 22 mey 1712. Ny papa Paul VI no namindra ny fetiny ho 30 aprily raha ny 05 mey no fankalazana izany teo aloha.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...