26 aprily — Ilay papa fahatelo nitondra ny Fiangonana nanomboka ny taona 79 hatramin'ny 91 no i Masindahy Clet resahana eto. Araka ny voarakitra ao amin'ny Liber pontificalis dia Romana i Clet ary i Emilien no anaran-drainy. Teraka tao Patricius ao anatin'ny faritr'i Esquilin izy, izay tsy mifanalavitra loatra amin'ny toerana nipetrahan'i Masindahy Pierre.

Nandritra ny 12 taona teo ho eo no nitondrany ny Fiangonana, nandritra ny fanjakan'i Vespasien sy i Titus. Araka ny fitsipika napetrak'i Pierre dia nanamasina pretra 25 izy ny volana desambra, ho an'ny tananan'i Roma, izay marihana fa nozaraina ho paroasy 25. Nisy ny fanenjehana kristianina tamin'izany ka anisan'ireo niharan'izany voalohany i Clet. Maty martiry moa izy ny taona 91, ary ny 6 mey no napetraka ho eo akaikin'i Masindahy Pierre tao Vatican ny nofo mangatsiakany. Banga nandritra ny 20 andro ny Fiketrahana Masina tao aorian'ny nahafatesan'i Clet.

Isan'ny nanamarika ny naha teo amin'ny Fiketrahana Masina an'i Clet ny fitokanana ny Colisée. Tao aorian'ny nahafatesan'i Masindahy Pierre dia novain'i Clet ho fiangonana ny trano nahaterahany, ary nanorenany trano fitsaboana ny beantitra sy fitsaboana ireo olona tratran'ny pesta. Io ihany koa no nanombohan'ny trano fitsaboana kristianina voalohany. Nitondra fahazavana ho an'ny Fiangonana romana ny naha teo amin'ny Fiketrahana Masina an'i Clet. Ny fiangonana sy ny hôpitaly naoriny tamin'ny taona 79, izay efa nisy fotoana naharava azy ary navaozina avy eo, dia tsy rava tanteraka raha tsy tamin'ny taonjato faha-18. Ireo papa rehetra nifandimby dia nitahiry ny fomba napetrany, ohatra tamin'izany ny isa 25 nizarana an'i Roma ho paroasy. I Clet no nampiasa voalohany ny teny hoe fiarahabana sy tsodrano apôstôlika. I Masindahy Clet dia iray amin'ireo olomasina mpiaro ny tananan'i Ruvo ao amin'ny fanjakana ao Naples.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...