05 marsa — I Jean-Joseph de la Croix dia teraka tao amin'ny nosy Ischia ny taona 1654. Vao 16 taona izy no niditra tao amin'ny Fikambanan'ny Frera Madinika. Nitety an'i Italie nandritra ny 30 taona, nanaparitaka ny fanovana nisy tamin'ny fiainan'ny fikambanan'ny pretra izay nentin'i Pierre d'Alcàntara tao Espagne.

Ny taona 1706 izy no nahazo alalana hitsahatra tamin'ny andraikitra nosahaniny tao amin'ny Fikambanan'ny Frera Madinika io, na ireo "déchaussés" izany na ireo "alcantarins". Taorian'izay dia nandany ny andro sisa iainany tao amin'ny akohonam-piainana antsoina hoe Sainte-Lucie izy ka ny nataony tamin'izany dia ny fitantanana am-panahy ny olona sy ny vavaka. Tao izy no nodimandry ny 05 marsa 1734, rehefa nahazo ny fahasoavana hitory sy hanasitrana, teo ihany koa ny fahafahany misondrotra miala amin'ny tany rehefa izy mifantonka amin'ny vavaka. Ankoatra izany ny fahafahana mahita azy amin'ny toerana roa samy hafa amin'ny fotoana iray mitovy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...