19 febroary — Raha ny tantaran'i Masindahy Gabin dia tsy dia misy ambara firy nefa na izany aza, izay kely fantatra momba azy dia ahafahana maka ohatra ny finoana nananany. Niaina tamin'ny taonjato fahatelo i Masindahy Gabin.

Rahalahin'ny papa Caïus izy, izay nitantana ny Fiangonana 283 ka hatramin'ny taona 296. Niaina tamin'ny fitondran'ny Amperora Dioclétien izy ireo. Nampianatra sy nitory ny Vaovao Mahafalin'i Kristy no nataon'i Gabin. Nosamborina izy ary naiditra am-ponja. Natao toa izany koa ny zanany vavy dia i Masimbavy Suzanne izay tsy nanaiky hanambady ny zanaky ny Amperora. Matin'ny harerahana sy hanoanana tao an-tranomaizina moa i Gabin.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...