Tsy maintsy fongorina ny toe-tsaina mampisaraka sy mandrava fiombonana. Mitaky toetra amam-pihetsika mendrika avy amin'ny tsirairay ny fampanjariana ny fiarahan-dia : fifampiresahana, fifampihainoana, fifanajana, fifehezan-tena, fanetren-tena. Fampianaran'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy, Diosezin'Antananarivo, momba ny toetra takiana amin'ny Eglizy mba hiainana ny fiarahan-dia.


Lahatsoratra: "Mba ho Eglizy miara-dia", Mgr.Jean Pascal Andriantsoavina, tohiny sady farany


Matetika ao amin’ny Soratra Masina dia miseho amin’ny endrika fihenjanana loatra amin’ny lafiny ara-pivavahana ka lasa mitsikera sy manilika ny hafa. Ohatra ireo Farisianina fahizany izay fatra mpitandro ireo fadifady maro isan-karazany (misasa tanana, mioty salohim-bary amin’ny andro sabata, fanasitranana amin’ny andro sabata ka nahavoaroaka ilay teraka jamba tsy ho isan’ny sinagoga sy ny maro hafa koa). Manoloana ny zavatra toy ireny dia nilaza i Md Paoly hoe : "mihezaha tsy hanafitohina ny hafa". Aoka hifanaja, hajao ny hafa ary aza terena hanaraka izay fomba mahazatra anao jr. Rm 14. Fahavalon’ny fiarahan-dia izany ary miteraka fisarahana nefa zavatra eto ivelany amin’ny fototry ny finoana. I Jesoa ohatra rehefa nanasitrana ilay malemy tanana ao amin’ny Jn 5 tamin’ny andro sabata dia nitsara Azy ny jody. Fa nilaza i Jesoa hoe :"aoka mba hitsara ara-drariny e". Jr. Jn 7, 21-24. Toy izany koa ao amin’ny Asa 15 dia misy miseho ho hentitra amin’ny fanerena be fahatany ny hafa hanaraka izay heveriny ho tokony ho izy amin’ny fitondran-tena. Terana tsy maintsy atao famorana ireo jentily te ho tonga kristianina.


Ireto ary ireo tokony atao:

  • Fifampiresahana: toy ny nataon’ny Trinité Masina. Aoka ho Eglizin’ny fihainoana isika. Fifampihainoana. Aza maika ny hiteny fa aoka mba ho mpihaino ary handinika tsara izay voalaza, izay vao hamaly am-pitoniana. Aza mihinana am-bolony izay zavatra renao mikasika olona na vondron’olona iray fa manaova fanadihadiana aloha na miresaha amin’izay olona voakasik’ilay resaka satria sao tsy mitombina akory izay zavatra renao sy nolazain’olona anao ka mahatonga anao ho tonga dia handray fanapahan-kevitra diso noho ny aminy (jr. Oh 14, 15; Sir 19, 4. 13-17). [ilay alika novonoin’ny tompony fa noheveriny ho nihinana ny zanany].
  • Isan’ny zava-dehibe ihany koa ny fahaizana mifehy ny teny ary aza simbaina ny “réputation ny hafa”. Isan’ny tena manimba ny fiarahan-dia ny tia resadresa-poana ka lasa mandainga sy mamorona rehefa tsy mahita ho lazaina. (jr. Sir 19, 6-7). Tazomy ho anao ny zavatra henonao ka mety manimba olona ny filazana azy (jr. Sir 19, 10).
  • Fivoahana amin’ny tontolo sy ny fijerin’ny tena samy irery. Ohatra ao amin’ny Asa 10. Dia samy nibebaka niala tamin’ny fomba fisainana mifikitra amin’ny an’ny tena i Piera sy Kornely ka afaka niara-dalana. [i Kornely niala tamin’ny fomba jentily ary i Piera tamin’ny fisainana jody. Asa 10, 28 “tsy misy olona azo atao hoe maloto na tsy madio”, jereo i Jesoa izay niaraka tamin’ny mpanota sy ny poblikana. Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra]. Aza mizahozaho amin’ny maha izy azy anao. Fa rehefa manana ny hasina sy ny maha-anao anao ianao dia mitoetra hatrany izany ary tsapa na dia tsy milaza izany aza ianao. Ny fisehosehoana amin’ireny mantsy no vao maika mampietry anao [vola 20.000 Ar sy 2000 Ar]
  • Mipetraha amin’ny toerana tokony hisy anao fa aza misalovana ny toeran’ny sasany fa sady tsy mampisy hasina (valeur) anao izany no mibahana ny lalan’ny hafa. [ilay faataranandro efa tena tranainy nomen’ny dadabeany an-jafikeliny]
  • Miala amin’ny fitsaratsarana mialoha (préjugé). Ohatra ilay farisianina ao amin’ny Lk 18, 9-14. Tonga dia sahy nanameloka ilay poblikana izay tena resy lahatra toa am-pony fa mpanota ary mila fivalozana. [ilay mpivady nifindra trano nitsara ilay mpifanolo-bodirindrina taminy hoe maloto ny lamba sasany]
  • Fitiavan-tena jr. Mk 10, 35-40. Zanak’i Zebede roalahy. Samy naniry ilay toerana avokoa izy 12 lahy.


Natsoina ary isika amin’izao sinaoda izao ho tena mpandray anjara, tsy amin’ny resaka famaliana fanotaniana fotsiny fa tena hiaina izay fiarahan-dia izay. Hahatsapa tena fa isan’ny Eglizy ka hiara-dia amin’Izy Tompo Andriamanitra. Ho isan’ny Eglizy ka hiaraka dia isika samy isika. Hiray dia amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka. Hibebaka marina tokoa ka hiezaka hiala amin’ireo rehetra mety mampisara-bazana ka manakana antsika tsy tena hiombona sy hiara-dia marina tokoa. Na samy manana ny maha-izy aza aza dia afaka miaraka satria “tsara ny roa noho ny iray, raha lavo misy mpanarina, ary tsara ny telo noho ny roa, raha miady misy mpanasaraka”. Noho izany tsara mandrakariva ny miara-dalana satria hoy ihany ny Ntaolo razantsika hoe : “ny mita be tsy lanin’ny mamba”.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...