Nanolotra fiara mpitondra marary na "ambulance" iray ho an'ny Aumônerie Apostolique misahana ny olona sahirana ny Papa François, ny marainan'ny alahadin'ny pantekôty teo.

Notsofiny rano io fiara io mialoha ny nanolorany azy ho ampiasain'ny tompon'andraikitra amin'io Aumônierie io. Natao indrindra hamonjena ireo tsy manan-kialofana miaina manodidina an'i Vatican sy ireo mipetraka amin'ireo tranotrano tsy zarizary ao Rome io fiara mpitatitra marary io. Natao ho fahatsiarovana ny vehivavy iray tsy nanan-kialofana ka namoy ny ainy teny an-dalambe, noho ny fandàvan'ny fiara mpitondra marary ny hitondra azy, izao fihetsika izao fihetsiky ny Papa nanolotra ilay "ambulance" izao. Tranga niseho tamin'ny 31 janoary 1983 io nahazo an-dramatoa Modesta VALENTI io ary efa nmisy lalana iray nampitondraina ny anaran'izy io moa ao Rome ankehitriny. Olona nahantra ka naloto io ramatoa io ary nifanilahan'ireo tompon'andriakitra tamin'ilay fiara mpitondra marary ny fandraisana azy na dia hita ho tsy salama aza izy. Nitarika ny fahaafatesany ny fahataran'ny fandraisana an-tanana azy. Efa an-taonany maro moa, tsiahivina, no miara miasa amin'ireo dispensera "fixes" sy "mobiles" eo anivon'ny Aumônerie Apostolique ny "ambulance "an'i Vatican.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...