♦ Mihatery ny fahalalahana maneho hevitra, eto Madagasikara, amin'izao akaiky fifidianana izao. Fomba fahitan'ny vovonan'ny fiarahamonim-pirenena Rohy izany... ♦ Handray andraikitra amin'ny fanaraha-maso ireo seranam-piaramanidina ny fanjakana, hitiliana ilay aretina "Variole de singe"... ♦ Lavo teo amin'ny ankatoky ny famaranana ny ekipam-pirenena malagasy vehivavy tamin'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona. Tamin'ny isa 98 noho 66 no nandresen'ny Ejipsiana antsika, tany amin'ny kianja mitafon'Antsirabe...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...