♦ Lalana sy fitaovana entin'ny pretra manamasin-tena ny fiofanana maharitra, io no nivoitra tamin'ny fihaonan'ireo tompon'andraikitry ny fanofanana maharitra ny pretra, teny Ambatoroka ny 18 sy 19 mey 2022... ♦ Nomarihana ny 18 mey 2022 ny fankalazana ny faha-42 taonan'ny Sekoly Venance Manifatra (SEVEMA), ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nivahiny nandritra ny telo andro tany Ukraine i Mgr Paul Gallagher, Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa ao amin'ny Fiketrahana Masina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...