Nidina ifotony nijery ny fomba fiasa teny amin'ny abattoir teny Ampasika, ao Antananarivo Atsimondrano, ny Minisitra Ranarivelo Lucien sy ny mpiara-miasa aminy, ny alatsinainy 26 avrily teo, manoloana ny fisian'ny FVR mahazo ny omby sy ny ondry aman'osy amin'ny faritra dimy eto Madagasikara.

Tsy tokony hanana ahiahy ny mpiompy omby sy ny ondry aman'osy eto Analamanga, fa tsy mbola tonga eto ny "Fièvre de la Vallée du Rift" na ny FVR. Manao izay ho afany amin'ny tsy hiparitahan'ny valan'aretina ny teknisianin'ny fiompiana, hoy ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono. Nohamafisin'ny Minisitra Ranarivelo Lucien, fa azo hanina tsara ny henan'omby, ondry ary osy rehefa vita fitsirihana sy fanamarihana nataon'ny teknisianin'ny fiompiana, ary nivoaka tamin'ny abattoir ara-dalana.

Dimy sy arivo moa ny isan'ireo omby sy ondry ary osy efa matin'ity aretina "Fièvre de la Vallée du Rift" na FVR ity, hatramin'ny fotoana nahitana ny aretina teto amintsika. Miisa dimy kosa ireo faritra ahitana izany, dia ny any Alaotra Mangoro, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Diana ary Vatovavy Fitovinany. Azo lazaina fa voafehy ny aretina, hoy ny Minisitra Ranarivelo Lucien. Efa mihena mantsy ny isan'ny tranga hita ankehitriny.

Nihena ho dimanjato isan-kerinandro amin'izao ireo omby vonoina eny amin'ny toerana famonoana omby eny Ampasika, raha valonjato isa izany talohan'ny nisian'ny aretina "Fièvre de la Vallée du Rift". Mbola tsy nahitana trangan'io aretina io kosa ny omby novonoina tamin'ireo toerana famonoana omby tao an-drenivohitra, hoy ny mpitsabo biby mpanao ny fanaraha-maso, ary nohamafin'ny Dokotera Harimanana Rasoanarimalala, misahana ny fitantanana ny sampan-draharaha misahana ny fitsaboana biby izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...