Tratra ny valan'aretina antsoina hoe Fièvre de la Vallé du Rift na ny FVR ny ondry aman'osy ary ny omby amin'ny faritra telo eto Madagasikara ankehitriny. Aretina azon'ny ondry aman'osy sy ny omby ary mety mifindra amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny kaikitry ny moka sy ny fikarakarana ny biby misy trangan'aretina...

Aretina efa nisy ary hita teto Madagasikara tany amin'ny taona 1979, ny moka mitondra azy, ny FVR. Nandripaka ny biby fiompy tamin'ny taona 1990 sy 1991. Niseho indray ny taona 2007 sy 2008 ka isan'ny nahitàna izany ny tany amin'y Faritra Alaotra Mangoro, ary hita tany amin'ny Faritra Matsiatra Ambony ihany koa ny taona 2008 sy 2009 ary izao miverina izao indray. Ny FVR izay mipongatra sy mirongatra noho ny anton'ny toetr'andro, dia ny rotsak'orana be loatra sy ny tondra-drano.

Distrika miisa 04 dia ny ao Toliara-II sy Ankazoabo any amin'ny Faritra atsimo andrefana, Mananjary Faritra Vatovavy-Fitovinany ary Ambanja any amin'ny Faritr'i Diana no ahitàna azy io ankehitriny ka Kaominina miiisa 35 no efa lasibatra. Ny faran'ny volana Febroary lasa teo  no nahitàna biby narary tany Atsimo-Andrefana ; ny volana marsa kosa ny tany Diana sy Vatovavy-Fitovinany ary ny fiandohan'ny volana Avrily teo no voamarina fa FVR no nahazo ireo biby fiompy ireo taorian'ny valin'ny fitiliana.

Amperin'asa manara-maso akaiky ifehezana ny fiparitahan'ny valan'aretina Fièvre de la vallé de Rift na ny FVR amin'ireo faritra 03 ahitàna izany ny teknisiana eo anivon'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono. Miara-miasa amin'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono amin'izao ady atoa amin'ny FVR izao hoy ny tale jeneralin'ny Fiompiana, Lezoma Tsiry Andriamahatoly.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...