Nanokana roa andro nikaonan-doha momba ny fijery tantsaha niompana amin'ny dingana fanohanana an'ireo tanora hisehatra amin'ny famokarana eny ambanivohitra ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA.

 Atrik'asa natao ny 26 sy ny 27 jolay 2022 teny Ilafy, Antananarivo-Avaradrano niadian-kevitra momba ny fahombiazana sy ny madilana mila hotentenona amin'ny tohana ataon'ny tambazotra SOA sy ny mpiara-miombon'antoka aminy amin'izay fanohanana ny tanora, indrindra fa ireo nahavita fihofanana amin'ny famokarana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra, izay niainga tamin'ny fanadihadiana natao.

Nandray anjara ny tantsaha mpitarika fikambanana ao amin'ny tambazotra SOA, ireo tanora niofana sy nahazo tohana amin'ny seha-pamokarana sy ireo nofanina ho tompon'andraikitra any amin'ny fikambanana atsy ho atsy, ny teknisiana, ireo mpisehatra amin'ny fampandrosoana. Nitondra fanazavana momba izay tohana amin'ny tanora izay koa ny tompon'andraikitra ao amin'ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Nomena sehatra misimisy kokoa momba ny fijeriny izay tohana ho azy ireo izay ny tanora nandritra ny roa andro. Mazava ny antony sy ny tanjona kendrena hoy ny filohan'ny Tambazotra SOA, Razafimbololona Angeline. Raha tsy ampiasaina ny fahalalana noratovina tamin'ny fiofanana dia zava-poana ihany no nanaovana izany hoy izy.

Nahafan'ireo tanora namosaka ny heviny amin'ny sehatr'asa ataony ny fikaonan-doha nokarakarain'ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na Réseau SOA. Nivoitra tamin'ny hevitra naroson'izy ireo ny fanatevenana ny fiofanana omena azy. Tsy ampy, mila ampiana ny enti-manana amin'ny fampandehanana ny tetik'asa aorian'ny fiofanana arahana hoy ireo tanora.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...