Feno 10 taona tamin'ity taona 2022 ity, no nijoroan'ny TAFO MIHAAVO. Ny talata 22 mey 2012 no nijoro tany ANJA, Kaominina ambanivohitra Iarintsena, Distrika Ambalavao, Faritra Matsiatra-ambony ny TAFO MIHAAVO na ny TAmbazotran'ny FOkonolona MIaro ny HArena VOajanahary. Namondron-kery ireo Vondron'olona Ifotony na ny VOI miisa 400 avy amin'ny Faritra 17 mba tsy hiady irery intsony rehefa misy ny tsindry mihatra. Tsy izay nefa no mitranga 10 taona aty aoriana.

Mihamafy ny tsindry maro samy hafa mahazo ny fokonolona ary miafara hatramin'ny famoizan'izy ireo ny ainy izany noho ny fiarovana ny harena voajanahary amin'ny Faritra samihafa eto amintsika hoy ny filohan'ny TAFO MIHAAVO. Ny mpitarika ny Vondron'Olona Ifotony na ny VOI no iharan'izany. Mpikambana ao amin'ny TAFO MIHAAVO avokoa ny ankamaroan'ny VOI manerana ny nosy.

Tsikaritra hoy Andriamatoa Razafimanandraibe Louis de Gonzague, filohan'ny TAFO MIHAAVO, fa mihamahazo vahana ny vono olona atao amin'ny mpiaro ny harena voajanahary eto amintsika. Maro ireo mpikamban'ny VOI no niharan'ny herisetra toa izany.

Tsy hilefitra manoloana ny toe-javatra mampalahelo toa izany izy ireo ka efa mandray andraikitra amin'ny zava-manjo an'ireo mpiaro ny harena voajanahary ireo ary hametraka fitorina ho an'ireo izay miray tsikombakomba mamotika ny harena voajanahary, indrindra ny tranga nahazo an'Itompokolahy Rakotoarisoa Henri maty nisy namono ny 02 jona teo. Herisetra faharoa nahazo ny mpikamban'ny VOI mantsy no nahazo azy... hoy ny filohan'ny TAFO MIHAAVO Razafimanandraibe Louis de Gonzague.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...