Tsy tratra ny tanjona napetraka tamin'ny drafim-pirenena fampandrosoana ny fambolem-bary na ny SNDR tamin'ny taona 2016-2020. Tsy nihoatra ny 4% isan-taona ny tahan'ny famokarana teto amintsika izay tsy mifanalavitra amin'ny tahan'ny fitombon'ny mponina hoy ny ministry ny fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy.

Maherin'ny 90% ny mponina mipetraka any ambanivohitra dia mivelona amin'ny resaka fambolena avokoa ary manao ny vary ho foto-tsakafo. Fanambin'i Madagasikara noho izany ny hiady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny hanatratra ilay tanjona ho sopitry ny ranomasimbe indiana sy hanondrana vary hatrany Afrika. Manana paik'ady mazava hiatrehana ny fampitomboam-bokatra ny Fanjakàna araka ny fanazavan'ny ministry ny fambolena sy ny fiompiana.
Isany antony tsy nahatratrarana io tanjon'ny drafim-pirenena ho an'ny fambolem-bary na ny SNDR io araka ny fanazavana ny fitombon'ny mponina, ny fahanteran'ireo foto-drafitr'asa famokarana, ny fiovaovan'ny toetry ny andro, ny fisian'ny valan'aretina maneran-tany, ny loza voajanahary...
Natao ny 12 mey lasa teo ny atrikasa fanavaozana sy fanatsarana ny drafim-pirenena fampandrosoana ny fambolem-bary. Nikarakara ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana niarahana tamin'ireo mpiara-miombon'antoka toy ny JICA sy ny CARD.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...