Alahady 15 mey 2022 — Alahady fahadimy fankalazana ny Paka — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, mifankatiava ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 31-33a
Mba hitazomana ny fahasalaman'ny volo sy ny hodi-doha dia tokony hanasa loha in-dray isaky ny herinandro farafaharatsiny, ary tokony ho jerena tsara ny kalitaon'ny savony hampiasaina sy ireo ankora haosotra. Rehefa manasa loha dia ezahina tsara mba tsy hisy rano-tsavony na ankora hafa tavela, noho izany dia atao tsara kobana. Raha vao misy fisehoana zavatra mampiahiahy ny hodi-doha dia tokony hamonjy toeram-pitsaboina...
♦ Nitsidika ny VDKT Tsiroanomandidy ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Tanora, hanamafy ny fanentanana amin'ny fandraisana anjara amin'ny JMJ Mada X... ♦ Tontosa ny 7 mey 2022, ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny Sekoly Katôlika Victoire Rasoamanarivo, ao Mananjary... ♦ Nanao filan-kevitra nasiônaly tsy ara-potoana ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara...
Manohy ny sehatr'asany any amin'ny distrikan'i Bealalana Faritra Sofia amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ny Foibe FAFIALA manana ny foiben-toerany eny Ambohimangakely, distrikan'Antananarivo-Avaradrano. Tetik'asa tanterahana mandritra ity taona ity ary kaominina roa no hanaovana izany...
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco