Efa taona maro no tsy nitsidika ny tanàn'Andohanakomena nahaterahany sy misy ny ray aman-dreniny i Faly, toerana lavitry ny fivoarana. Nifanena tamin'i RaMiandry izay lehilahy lehibe mpitsabo nentim-paharazana i Faly rehefa tonga nitsidika ny fianakaviany. Herinandro mialohan'ny nahatongavan'i Faly no nanatontosana ny fankalazana ny fetin'ny taranak'andriana.
♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'ny Arsevekan'Antananarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ny Diôsezin'Antananarivo ; ka notendren'ny Ray masina handimby azy, i Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Notontosaina omaly ny fizakana ny Seminera Zandriny Ambohipo, ary nanentana ny kristianina rehetra izy ireo, fa maro tokoa ny ezaka izay hatao amin'ny fanabeazana ireo izay ho pretra rahatrizay... ♦ Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fankalazana iombonana ny Sakramenta Masina, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eo amin'ny Kianjan'i Masina Misely Amparibe...
Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona hitsahatra amin’ny fitantanana ny Arsidiôsezin’Antananarivo ary notendrena handimby azy i Mgr Jean de Dieu Raoelison, Evekan’Ambatondrazaka.
Ny didy aman-dalàna sy ny didin'Andriamanitra no fototra handrafetana ny fitsipika hifampitondra eo amin'ny samy mpiara-belona. Misy amin'ireo lalàna noheverina handrindràna ny fiaraha-monina no tsy mipaka any amin'ny tontolo ambanivohitra, izany hoe tsy ampy ny fahampahafantarana azy ireny. Na nisy aza ny fivoriana nataon'ireo andrim-panjakana mpanao lalàna dia tsy misy fampahafantarana izay lalàna niadian-kevitra sy izay mety ho fampiharana izany.
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco