♦ Tanora manodidina ny 2216 no miatrika ny JMJ andiany faha-3, tanterahan'ny ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina, nanomboka andraony hatramin'ny alahady 20 aogositra 2023... ♦ Fotoana fanamasinana ireo pretra sy diakra ny volana aogositra, nanatanteraka izany tamin'ny talata 15 aogositra 2023, ny tao amin'ny Diôsezin'Ambanja. Diakra 6 mirahalahy ary pretra roa... ♦ Nanamarika ny 15 aogositra 2023, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga, ny fiaraha-mifaly tamin'ireo Masera Filles de Marie de Saint Denis de la Réunion...
Miabo ny voka-bary azon'ny PAPRIZ fahatelo nandritra ny taom-pambolena farany teo. Vokatra mitondra mankany amin'ny fitomboana sy ny firoboroboan'ny voka-bary eto Madagasikara. Maherin'ny5 taonina isaky ny Hektara ny salan'isan'ny vokatra niakatra ho an'ireo Faritra 11 teo aloha iasan'ny tetik'asa. Niampy 50 mahery ny isan'ny lemaka voatondraka niasana. Maherin'ny 37.000 ny tantsaha niofana...
Ilay zaza mpandany dia nanao sesi-tany ny tenany, anefa noraisin'ny Rainy rehefa nody sy nibaboka, tsy nahafaly an'ny zanaka tao an-trano anefa izany. Hita taratra tamin'io tantara io ny asa nataon'ilay zaza mpandany, ny toe-piainan'ireo tantsaha sy ny fiompiana hataony, ny fifanampian'ny ankohonana sy ny fifankatiavana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Azo ampiasaina ao aorian'ny fanitsiana ny lisi-pifidianana, hoy ny tatitr'ireo manam-pahaizana nanao fitsirihana teny Alarobia androany. Tsy manome antoka hahazoana zotram-pifidianana madio anefa izy ireo, raha ny lisitry ny mpifidy fotsiny... ♦ Nitrangana olana ny famoahana ny valim-panadinana Bakalôrea, ho an'ny Faritanin'Antananarivo. Tsy mety manao ny "délibération" ireo mpampianatra, noho ny tsy mbola nandraisan'ireo mpitsara ny taratasim-panadinana, ny tambin-karamany...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco