Nanatevi-pahalalana nandritra ny telo andro tao Betsitaisana, Fokontany Tsimiambolahy ao amin'ny Kaominina ambanivohitra Fihaonana, Distrika Ankazobe, amin'ny alalan'ny fiofanana, ireo tantsaha miara-miasa amin'ny Fikambanana "Tsiky Tsika".
Ny hanaovana ny asa tsara ho lovan'ny taranaka dia isan'andro mihitsy no hiainana azy. Noheverintsika hoe izay tsy ilaina dia fako ka ariana, kanefa mbola misy ny azo hampiasana azy ireny : ohatra ny fakon-dakozia dia ahazoana zezika compost ; ny rano nanasana sakafo dia ahafahana mamokatra olitra ho sakafon'ny akoho amam-borona ; ireo voan'ny voankazo dia ahafahana mamatsy tanin-jana-kazo kely eo an-jaridaina ; ny taim-biby ahodina ho "biogaz" ; ny vatan-kazo sy ny raviny hanatsarana ny "permaculture" ; ny "plastique" azo atao tavy dia hambolena anana sy ny voankazo. Ireo no hatao dia efa mametraka lova ho an'ny taranaka isika no sady mitsinjo ny tontolo iainana.
29 jolay — Rahavavin’i Marie Madeleine anabavin’i Lazara i Masimbavy Marthe. Mpikarakara tokantrano izy ary tao Betania izy ireo no nitoetra. Mendrika tokoa izy amin’ny halemen-panahy sy ny fitiava-namana ka nampiavaka azy ny asa atao amin’ireo sahirana sy ny fampiantranoana ny mpamonjy sy ireo mpianany.
Ny firehan-kevitra politikam-pitantanana tokony hanana dia : ny mikendry ny tanjom-piainana "soa iombonana" ho an'ny fiaraha-monina fa tsy tia kely. Tsy maintsy misy ny rindran-damina araka ny tanjona sy ny fironana amin'ny sehatra rehetra toy ny fikambanana sy ny antoko. Omena lanja ny fahambonian'ny olombelona, miohatra amin'ny zavatra hafa. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco