Alarobia 20 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 1-9
♦ Nisokatra tamin'ny fomba ôfisialy androany ny Zaikaben'ny Aumônerie Catholique des Prisons eto Madagasikara... ♦ Fikaonan-doha amin'ireo lokan'ady goavana amin'ny fampandrosoana, anatin'ny fandaharana 2030 ho an'i Afrika sy i Madagasikara. Hifantoka amin'izay indray ny fikaonan-doha iraisam-pirenena ho tanterahan'ny UCM manomboka rahampitso... ♦ Hojeren'ny FMI ny hampihenana ny trosan'ireo firenena afrikanina. Nihena ho 34 miliara dolara ihany koa, ny natokan'ny FMI hanampiana ireo firenena afrikanina amin'izao krizy misy eran-tany izao...
NY famadihana dia famindrana toerana ny razana iray natao anirotra na avy amin'ny fasana hafa na ihany koa avy amin'ny faritra hafa ho amin'ny fasana iray. Ny fotoana fanaovana ny famadihana dia amin'ny vanim-potoana ririnina, izany hoe eo anelanelan'ny volana jona sy septambra, ka ny famongarana dia amin'ny faharavan'ny volana ary ny fanitrihana dia amin'ny tsinam-bolana. Ny fitaovana tena ilaina rehefa manatanteraka ny famadihana dia ny tsihy sy ny lamba. Misy dinga maromaro atao amin'ny fanatanterahana famadihana : ny fanomanana, fiantsoana ambiroa, famongarana, fanitrihana... Ireo dingana hisandratan'ny olona manomboka amin'ny fahafatesana : Maty (vatana mangatsiaka), an-dalana maha razana, aorian'ny famadihana dia lasa ho razana mitahy ary mety ho tonga amin'ny hoe zanahary.
Voahaja ny hasin'ny fahafahana, izay maneho fa tokana aman-tany ny isam-batan'olona, rehefa avela hanatanteraka ny antso niantsoana azy manokana ny tsirairay ao amin'ny fiaraha-monina ; rahefa avela hikaroka ny fahamarinana izy ary hanambara am-pahibemaso ny hevitra ijoroany ara-pivavahana, ara-kolontsaina ary ara-politika ; rahefa tsy tampenam-bava. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco