6 septambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 38-44)
♦ Natao teny amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena, ny Sorona Masina nanaovan'ny Diôsezin'Antsirabe ny fangatahana an'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina ho Evekan'io Diôsezy io, araka ny fomban'ny Eglizy... ♦ Miisa 17 ireo kandidà nanatitra ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiana ho Filoham-pirenena amin'ny 9 nôvambra 2023, eny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana... ♦ Mangataka ny firotsahan'Andriamatoa Andry Rajoelina, Filoham-pirenena amperin'asa, ho kandidà amin'ny fifidianana amin'ny 9 nôvambra 2023, ny antoko TGV...
Ny tontolo iainana dia izay iriariavan'ny olona : ny tany, ny ala, ny rano, ny tanàna, ny faritra honenana sy izay rehetra eo aminy. Ny tontolo iainana dia ilay tandrovina sy kajiana ary arovana. Ny tontolo iainan'ny olona dia misy sehatra roa lehibe dia ny tontolo ambanivohitra sy an-drenivohitra. Ho fikajiana ny tontolo iainana dia tandremanana ireo izay mety hiteraka vahavoazana mihatra amin'ny aina sy ny mihatra amin'ny saina. Ireo fahasimban'ny tontolo iainana mihatra amin'ny saina dia azo raisina ohatra ny mikasika ireo teny sy voambolana hampiasaina amin'ny dokam-barotra mampiasa teny diso na mampifangaro ny teny vahiny amin'ny teny malagasy...
Adidin'ny Fanjakàna ny mampihatra pôlitika mahomby ny asa ka isan'izany ny manome vahana ny famoronana ny asa manerana ny firenena, eo koa ny fanohanana ny olona amin'ny asa famokarana. Adidin'ny Fanjakàna ihany koa no mampirisika ny olona hiantsehatra satria tsy ho araky ny Fanjakàna irery izany fa na izany aza dia tsy maintsy miezaka araka izay tratra ny mpitantana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco