An'Andrimanitra ny aina koa tsy misy afaka manesotra izany. Ny fankahalana dia endrika famonoana. Irin'Andriamanitra ny hananan'ny olona tsirairay sy ny fiaraha-monina manontolo fiadanam-po. Noho izany indrindra no hiampangan'i Jesoa ny faharatsian'ny fahatezerana mahaty sy ny fankahalana izay samy tsy mitondra makany amin'ny fandriam-pahalemana. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo.
Zazavavy kely teraka tao amin'ny fianakaviana iray Hélène, izay teraka volana mey, volana an'i Masina Marie. Lénah no niantsoana an'i Hélène izay niavaka tamin'ny zanaky ny ray aman-dreniny, ohatra tamin'izany ny nahavitan'ity zazavavy kely ity nanolo ny lovia novakiany, teo koa ny nahavitany nanoratra tantara rehefa noraran'i Sophie reniny tsy hamaky boky. Zazavavy kely tia mihantra ny tsy manana sy ny sahirana izy, ary tia mialavoly anefa koa tia fianarana.
♦ Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany eo anilany teo amin'ny faha-84 taonany i Mgr Antoine Salvatore Scopelliti, Eveka misotro ronono an'i Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misiônera mpitondra hafatra isika, hoy i Mgr Zygmunt Robasckiewicz, Evekan'i Mahajanga, tamin'ny fankalazana ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny Misiona... ♦ Notanterahana tao Toamasina ny zaikaben'ny Vondrom-bavaky ny Apôstôlin'ny Famindrampon'Andriamanitra ho an'ny Arsidiôsezy Atsinanana...
Sarobidy ny aina koa aoka tsy hatakalo vola na akanjo na satroka na rindran-kira na fanentanana hafa, satria io no sarobidy indrindra amin'ny fanomezana nomen'Andriamanitra antsika, miampy ny fahasalamana. Tokony homalina hatrany isika satria maro ireo teti-dratsy manosika antsika samy Malagasy ho any amin'ny ady an-trano. Endrika famosaviana ny mpiray tanindrazana ny ezaka fanakorontanana, mety hataon'ny andaniny na ankilany koa samia mindanjalanja ny hatao...
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco