♦ Ny fandraisana fanapahan-kevitra, araka ny fomba fanao amin'ny sinaody, dia miankina amin'ny fandalinana sy ny fahaiza-mamantatra izay ambaran'ny Fanahy Masina amin'ny Fiangonana manontolo... ♦ Mitaky finiavana sy fahavononana hiova, sy handray fanabeazana ary hanaraka fiofanana mitohy ny fiarahan-dia...
Ilaina ny fanombanana izay vita sy niainana. Tsy tsikeran'izay miiba ihany anefa no atao hoe tombana, noho izany, mitaky toe-tsaina mahitsy sy mila fahaizana ihany koa ny fanaovana tombana mba hitarika ho amin'ny fivoarana.
♦ Manana ny anjara toerany manokana amin'ny fizorana amin'ny Sinaody ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny kristianina samy hafa finoana, atambatry ny Batemy iray... ♦ Ny "Eglizy miara-dia" dia Eglizy miara-mandray andraikitra sy mampandray anjara ny hafa...
Alarobia 29 desambra 2021 — Andro fahadimy amin'ny havaloan'ny Noely — Andro masina no mamirapiratra ho antsika: avia, ry vahoaka, hitsaoka ny Tompo, fa hazavana lehibe no tonga eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-35
♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco