Diso ny fiheverana fa ny fanalan-jaza no antoka hasalama ny vehivavy iray mitondra vohoka lazaina fa tsy salama ; tsy vokatry ny fisian'ny zaza ao an-kibon-dreny ny tsy fahasalaman'ny vehivavy mitondra vohoka fa avy amin'ny aretina hafa. Maro anefa ny reny no sahy manao sorona ny any ho an'ny zanany, aleony izy no maty toy izay ilay zaza entiny ao am-bohoka. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
Mpamongady i Rabary manan-kareny isan-karazany. Noresen'i Ramatoa Vola lahatra i Rabary mba hividy tanimbary any ambanivohitra, ary ny tanin'i Siza, zandrin'i Rabary ihany no heverina ho vidiana. Tsy salamana Razafy rain'i Rabary sy Ramatoa Siza ka izay no nararaotin'i Ramatoa Vola mba hafahana mividy ireo tany lova, satria olona sahirana io anabavin'i Ngahy Rabary...
♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...
Ny Sakramenta fanosorana ny marary dia Sakramenta natao mba hahasoa ny fanahy sy ny vatan'ny marary ary ahazoana fahasitrahana ; mankahery ny marary amin'ny fahosan'ny fanahy, ny saina ary ny sitrapo, ary manafaka.ny fahotana sy ny sazim-pahotana. Adidin'ny Pretra manome ny sakramenta fanosorana ny marary no manome ny indolizansy ny marary, indrindra ho an'ireo marary ambavahoana. Ny indolizansy dia famelana omen'ny Eglizy ivelan'ny konfesy ka manafaka ny sazim-pahotana misy fetra, valin'ny hota efa navela. Ny indolinzansy dia misy roa : manontolo sy ny tsy manontolo izany hoe manafaka fahotana sy sazim-pahontana voafetra...
♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco