Alatsinainy 26 avrily 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 1-10
Miainga avy amin’ny Sakramentan’ny Batemy ny fiainana maha-zanak’ Andriamanitra. Tsy maintsy zanak’Andriamanitra daholo ny olona ao an-tokan-trano ao vao afaka hiteny hoe tokan-trano kristianina mifototra sy mifikitra amin’ny finoana an’Andriamanitra izy. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Alahady 25 avrily 2021 — Alahady fahefatra fankalazana ny Paka — I Jesoa Mpiandry ondry tsara — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 11-18
Aretina mpahazo ny biby mandinika ny Fièvre de la Vallée du Rift ka ny kaikitry ny moka no fomba fifindran'ny tsimokaretina eo amin'ny samy biby. Efa tamin'ny taona 1880 no nahafantarana ny fisiany, ary ny taona 1951, tao Afrika Atsimo, no nahitana voalohany tranga tamin'ny olombelona. Ny fikirakirana ny ran'ny biby marary sy ny fihinanana ny hena sy ny ronono tsy tsara masaka kosa no mampifindra ny tsimokaretina amin'ny olombelona.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco