♦ Maherin'ny 400 ireo mararin'ny Covid-19 no sitrana soa amantsara ny talata faha-4 ny volana mey, raha toa ka 120 mahery ny isan'ny tranga vaovao tamin'ny fitiliana 400 mahery. Miisa valo ireo lavon'ny aretina... ♦ Niverina an-tsekoly androany ny mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana ho an'ny CISCO Antananarivo Renivohitra. Lehiben'ny CISCO telo tamin'ny Faritra Anosy kosa no nesorina ary nosoloina vaovao...
Manentana ny kristianina rehetra maneran-tany ny Papa François amin'ity volana mey ity hanandratra vavaka miaraka amin'i Masina Maria, mba hitsahatra ny valanaretina Covid-19. Izao fitsapana izao no hanehoantsika ny finoantsika tsy azo hozongozonina
♦ Daozim-bakisiny Covid-19 CoviShield miisa 250000 no ho tonga eto Madagasikara amin'ny zoma ho avy izao. Andiany voalohany ihany ireo fa mbola ho avy ireo vakisiny hafa nafarana... ♦ Nahazo fotodrafitr'asa, toeram-pivarotana goavana ny any Fianarantsoa. Nitokana izany tany an-toerana, ny antoandro teo ny Filoham-pirenena...
Rehefa miresaka ny hoe toe-tsaina fototra entina miatrika ny fiainana dia matetika izay mahakasika ny tena manokana hatrany no tonga ao an-tsaina. Tsy azo lazaina ho mivelatra tanteraka anefa ny olona iray, na atao hoe mahomby amin'ny lafiny rehetra aza, nefa manana disadisa eo amin'ny fiaraha-monina. Mitaky finiavana sy fandavan-tena lehibe, noho izany, ny ezaka hahazo ny hafa, izay tsy maintsy fantarina amin'ireo lafiny dimy maha olona. Dingana voalohany amin'izany ezaka izany ny fifehezan-tena tsy hitsaratsara foana.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco