11 jolay — Teraka tao Nursie tao Ombrie ny taona 480 i Masindahy Benoît. Vao 14 taona monja izy no nandao ny toerana nahaterahany ary niazo an’i Roma mba hanohy ny fianarany. Nandositra ny tanan-dehibe sy ny rendrarendran’izao tontolo izao izy ka avy eo nitoka-monina irery tany amin’ny lava-bato tany Subiaco nantsoina hoe Sacro Speco.
Ny miaina tsara dia tsy zavatra hafa fa ny mitia an'Andriamanitra amin'ny fo, amin'ny fanahy manontolo. Ny fitiavana dia manalefaka ny filantsika mihoatra ny tokony ho izy. Ilaina ny fahamalinana amin'ny fampiasana ny harena na ny fahazoana azy mba tsy halasa antsika ho handevony. Katesizy momba ny haren'ny tany, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alatsinainy 11 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 34 — 11, 1
10 jolay — Ulrich roa no horesahantsika esto. Ny voalohany dia taranaka andriana allemand. Mpiandraiki-draharahan’ny impératrice germanique Agnès d’Aquitaine, vadin’i Henri III. Avy eo moa izy niditra tao amin’ny fikambanana bénédictin ka nankany Cluny ary tao no nahafantarany an’i Masindahy Hugues, lehiben’ny fikambanana clunisien.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco