Mankahery ny Malagasy hiaina hatrany ny firaisan-kina naseho nandritra ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa François i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy , Arsidiosezin’Antananarivo. Arahantsika ny firariantsoa atolony ho an’ny vahoaka Malagasy amin”izao taona vaovao 2020 izao.

Talata 31 desambra 2019 — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18 — Ny teny dia tonga nofo ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra.

Misy fitsipi-pifehezana avokoa ny sehatra maro samihafa eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fiainana andavanandro. Mitaky fifehezan-tena amin'ny lafiny rehetra avy amin'ny tsirairay izany.

Alatsinainy 30 desambra 2019 — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 36-40 — Imbetsaka Andriamanitra no niteny tamin’ny razantsika... nony farany, ny Zanany mihitsy no itenenany amintsika.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...